ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Fiangonana iray norobain’ny jiolahy

Fiangonana protestanta iray ao Ankadindambo, kaominina Ambohimangakely, no lasibatry ny asan-jiolahy ny herinandro lasa teo. Fitaovana mahakasika ny « sonorisation » am-polony maro no lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany, araka ny voalaza.

« Fitaovana maro isan-karazany no very nandritra ny fahavakisan’ny fiangonana ny alaribia hifoha alakamisy teo. Tao anatin’izany ny table mixeur, ny ampi karazany telo, synthète miisa roa, ny multiprise, micro, baffle, ny equaliseur sy ny stabilisateur ary ny maro hafa » hoy ireo tomponandraikitra.

« Taratry ny fahasahiranana sy ny fahampian’ny fandraisana andraikitra izao. Tena efa tsy mifidy toerana hanaovana asa ratsy ny jiolahy. Mila mailo sy miara-mientana sisa no azo atao fa efa  tena manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana » hoy i Laza, mponina ao Ambohimangakely.

Raha ny tombana, ahiana nitondra fiara ireo nanao izao asa ratsy izao. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra moa ny fiangonana manoloana izao tranga izao, indrindra hampandre ny mpitandro filaminana raha misy ny manam-baovao.

Manitra R.

Laisser un commentaire