Fandraharahana : Manana harena mila trandrahana i Madagasikara
Maro ny sehatra azo handraharahana eto Madagasikara, toy ny amin’ny fambolena sy ny fiompiana, ny fizahan-tany, ny indostria, ny angovo madio ary ny teknolojia. Betsaka ny harena tokony hotrandrahan’ny tanora eto amintsika, ary tokony araraotina izany. Betsaka ny sehatra manampy ny tanora hahay hitrandraka sy hahay hanangana orinasa toy ny BTC Ambohimangakely. »Nahita mihitsy isika taorian’ireny covid-19 ireny fa ny 60% amin’ny filantsika andavanandro dia afarana avokoa, kanefa azontsika tsara ny mitrandraka izany indrindra eo amin’ny sehatrin’ny fambolena, eo ihany koa ny tokony hiseharantsika bebe kokoa amin’ny asa Tanana » hoy i Eva Radavidrason, mpampiroborobo ny fandraharahana ao amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). »Manan-karena isika eto Madagasikara saingy tsy mbola voatsoaka izany ka lasa otri-karena, izany hoe mbola miotrika ka mila indrindra ny tanora hitrandraka azy » hoy i Faly Rafieferana, mpandraharaha sady mpampianatra. »Matetika tokoa ny fambolana dia ambanian’ny olona, fa taty amin’ity fiofanana herianndron’ny mpandraharaha ity no nahafantarako fa tena mahalasa lavitra ny fambolena raha tena hay ny mitrandraka sy ny manatsara ary manitatra azy ho any amin’ny fandraharahana » hoy i Joro, mpamboly monina ao Avaradrano, isan’ireo nanatrika ny « Herinandron’ny mpandraharaha » tany Ambohimangakely.Tsy olona iray tokoa na roa no nilaza fa be harena i Madagasikara, saingy tsy mbola voatrandraka ny ankamaroany. Efa nanao izay ho afany ireo zoky teo aloha, ka anjarantsika tanora indray izao no manatanteraka ny fikarohana, mila mikaroka sy miketrika ary mikatroka isika mba ho firenena mandroso sy manana tanora afaka mampandroso tokoa i Madagasikara. Mampalahelo anefa raha toa ka ny olona hafa avy any ivelany no hahita izany mialoha raha tsy mihetsika isika tanora.
Nicole Rafalimananjara
