SocialTatitra

Norvège : Mipetraka foana ireo toro-marika ara-pahasalamana mandritra ny fetim-pirenena

Nanambara ny governemanta sy ny Minisiteran’ny kolontsaina, Abid Raja ao Norvege fa mipetraka foana ireo fepetra hiarovana amin’ny fiparitahan’ny COVID-19 mandritra ny fetin’ny 17 mai izay hankalazana ny fetim-pirenena any an-toerana. Tsy azo atao araka izany ny mivorivory, mba hiarovana ny tena sy ny hafa. Vao maika aza hamafisina ny fepetra any amin’ireo toerana be marary indrindra ao amin’ny firenena. Betsaka ny olona te hankalaza miaraka amin’ny tapaka sy namana ary ny fianakaviana io fety izay nanamarika ny firenena tamin’ny 17 mey 1814 io kanefa tsy azo atao izany. Raha ny tokony ho izy, Ny diabe sy ny latro no tokony ho hita mandritra ny tontolo andro ary miankanjo « bunad » avokoa ny olon-drehetra amin’izany. Raha tsiahivina ny tamin’ny taon-dasa, najanona avokoa ny filatroana sy ny famoriana olona isan-karazany fa nampitain-davitra ny seho. Nilaza ny avy ao amin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana, Espen Nakstad fa hisy ihany ny fankalazana hatao izay manaraka ireo fepetra hiarovana amin’ny aretina.

Laisser un commentaire