Kenya : Olona maherin’ny 300 isa naratra mafy vokatry ny fipoahana kamiao mpitondra angovo
Nisehoana loza mahatsiravina tao Nairobi, Kenya, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Kamiao lehibe iray mpitondra angovo no nipoaka ka niteraka fiparitahan’ny afo tamin’ny toerana maro teo amin’ny manodidina. Fiara maro an’ny orinasa sy toeram-pivarotana lehibe, toeram-piasana sy toeram-ponenana maro ihany koa no nirehitra sy rava vokatr’izany. Tao anatin’izay hatrany, ny alina nisehoan’ny loza dia maro ireo olona no mbola nijanona tamin’ireo toerana ireo ; vokany olona roa no namoy ny ainy ary maherin’ny 300 isa ireo naratra nandritra ity loza ity. Niezaka nifehy ny afo ireo mpamonjy voina tany an-toerana na dia nanano sarotra aza ny famonoana ny afo noho ny haben’ny velaran’ny fahamaizana tany an-toerana. Noraisan’ny manam-pahefana an-tanana ireo niharam-boina taorian’ny loza.
