Tsidika

Baccalauréat  2023:  Vinavinaina hivaly ao anatin’ny volana iray

Araka ny tetiandrom-panadinanana eto Madagasikara dia nanomboka omaly 17 Jolay ny fanadinana baccalauréat. Mikasika ny valim-panandinana dia nanambara ny avy amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika izay Ministera miahy ity fanadinam-panjakana ity fa heverina hivaly ao anatin’ny iray volana ny fanadinana.  Araka ny fanazavana hatrany dia amin’ny Alatsinainy 24 Jolay ho avy  izao no hanomboka amin’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ireo mpampianatra.

“Tahaka ny isan-taona dia maharitra eo amin’ny iray volana eo ny famoahana ny valim-panadinana baccalauréat. Maro ny antony mahatonga izay fe-potoana izy ho hita somary lava kokoa mihoatra ny fanadinam-panjakana hafa raha tsy ilaza afa-tsy ny fahasarotan’ny fitsarana ,izay hafa sy entitra kokoa mihoatra ny fanadinana hafa.” Hoy ny avy amin’ny Ministera mpiahy.                                                                                                Nanamafy ihany koa ny mpampianatra fa ampy ary antoniny ny iray volana ahafahana mamoaka ny valim-panandinana.” Tsy afaka irotorotoana na ny fitsarana na ny fanambarana ny salan’isan’ny mpiadina baccalauréat. Rariny sy hitsiny tokoa raha aharitra kokoa izay vao mivoaka ny valim-panadinana. Ny Ministera rahateo koa dia miara miasa tsara aminay amin’ny fampifanarahana n y tetiandro eny amin’ny anjerimanontolo sy ny fotoana hivalian’ny bacacalauréat”. Hoy i Blaise mpampianatra

Araka izany dia ny tapaky ny volana Aogositra no mety hivoahan’ny valim-panadinana baccalauréat. Raha tsiahivina ny tarehimarika isan-taona dia manodidina ny 40% eo ho eo ny taham-pahafahana amin’ny ankapobeny. Taha izay mbola afaka ampiakaraina hatrany izy ity ka miandrandra izany ireo mampianatra sy mpanabe rehetra ho an’ity taona 2023 ity.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire