ActualitésTatitra

Japon: Tsy nahomby ny andrana fandefasana « fușée »

Nisehoana fipoahana goavana tao Japon ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitry ny ministeran’ny siansa sy ny teknolojia tao an-toerana dia ny maoteran’ny « fusée » Epsilon 6 izay natao andrana tao Akita tamin’io fotoana io no nirefotra 1 minitra taorian’ny fiangany.

Ny « agence spatiale Jaxa » no namolavola io « fusée ». Marihana fa isany malaza amin’ny fahatomombanan’ny « fusée » izany izy ireo saingy tao anatin’ny fotoana vitsy izao dia nisy lesoka ny andrana nataon’izy ireo. Arak’ireo manam-pahaizana dia ny fifehezana ara-teknika sy ara-pahatomombanana ny « fusée » hika farany na « nouvelle génération » no mbola tsy tomombana.

Raha tsiahivina dia efa tsy nahomby ihany koa ny andran’ny Jaxa tamin’ny « lanceur H3 » vao tsy ela akory izay.

Laisser un commentaire