Ny hasin’ny fanaovana kaonty
Ankoatra ny maha-adidy ara-dalàna sy ara-ketra ny « comptabilité », dia fitaovana tokony ampiasain’ny orinasa koa ny fanatontosana ny fitahirizana an-tsoratra ny asa aman-draharaha na ny hetsika mitranga ao anatin’ny orinasa iray.
Na ny « PME », na ireo orinasa lehibe, dia tokony hanao kaonty isan’andro mba ahafahana manana topimaso amin’ny zava-manjo ao aminy sy hahitana ny lalana ahafahana mitantana ny orinasa. Betsaka ny olona no mahita fa ny fanatanterahana ny kaonty dia asa fanampiny ho an’ny orinasa, ka raha mbola azo tsy atao dia tsy atao. Kanefa raha te hivoatra ny orinasa dia tokony hahay hankasitraka ny lanjan’ireo andalana misoratra ao amin’ny kaonty ireo. Mamela ny mpitantana handray fanapaha-kevitra miorina amin’ny fanadihadiana ara-drariny, izay mifameno amin’ny toe-javatra misy ao amin’ny orinasa ity farany, ka tsy tokony atao amban-javatra.
Mihoatra ny « numéro de compte » ny « comptabilité », ary tsy ireny no antony namoronana azy fa ny mba anomezana fahafahana ho an’ny mpitantana hahita ao anatin’ny fotoana fohy ny lalana tokony alehany sy ny fomba ahatongavany any.
