PolitiqueTsidika

Hitondra vahaolana ho an’ny Madagasikara tokoa ve ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Emmanuel Macron ?

Nizotra tamin’ny antsakany sy andavany tokoa ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Emmanuel Macron tany France. Miandry kosa ny ho akon’izany fihaonana izany ho an’ny Madagasikara ny vahoaka Malagasy.

Nifamahofaho ny resaka tamin’ny fandehanan’ny Filoha Andry Rajoelina tany France. Samy manana ny fandraisany azy avokoa ny olom-pirenena rehetra. Araka ny fampitana mivantana, firesahana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa no tena vontoatin’ny laha-dresak’izy ireo. Fa hitondra tombontsoa ho an’ny Malagasy tokoa ve iny fihaonana iny ?

« Misolelaka amin’ny Francey ny Filoha Andry Rajoelina. Efa hita mibaribary fa mbola ao foana ny maha mpanjanaka an’ny Lafrantsa, mbola misisika ihany. Ny fitakiana ny iles eparses aza no tokony hamafisina fa tsy vao mainka manambitamby any. Tsy azo eritreretina hitondra vahaolana maharitra amin’ny Madagasikara ny fiarahana loatra amin’ny France satria efa betsaka loatra izay fifandraisana ratsy teo amin’ny roa tonta izay » hoy i Evariste, izay avy ao amin’ny antoko mpanohitra. « Azo hanaporofoana izao fihaonan’ny filoha roa tonta izao fa tsy misy ny disadisa teo amin’izy ireo. Ary tsy nikasa ny hamono ny Filoha Malagasy izany ny France fa olom-bitsy tsy tia ihany no teo amin’izany fikasana izany. Matoa misy ny fihaonana, misy izany ny vokatra » hoy kosa i Fidèle, mpomban’ny Filoha raha nanohana ny dian’ny Filoha tany France

Rah any hevitr’i Njaka izay mpahay toe-karena : « Tsy maintsy manatanteraka fihaonana tahak’izao raha te handroso. Mila mivelatra amin’ny firenena mandroso isika na dia hoe ahafantarana ny taktika sy paikady ampiasain’izy ireo hampandroso ny fireneny fotsiny ihany aza. Ahafahana miresaka ny toe-karena, ny politikam-pandrosoana sy ny maro hafa ny fihaonana tahak-izao fa tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka iles eparses. Tsy ireo ihany ny afaka hampandroso an’i Madagasikara fa maro hafa no afaka trandrahana sy liana fanampiana. » Mila manova toe-tsaina isika manoloana ny fandraisana zavatra fa tsy raisina amin’ny tsy fitovian-kevitra politika fotsiny ihany, hoy hatrany izy.

Fifandraisana ara-toe-karena, ara-diplomatika, raharaha Covid,raharaha iles eparses : ireo no anisan’ny nibahan-toerana tamin’ny dinikin’ny filoha roa tonta. Ary nanaiky ny hiara-dia amin Filoha amin’ny fanatanterahana ny vina ihany koa ity filoha frantsay ity. Raha ny toe-draharaha eto Madagasikara, azo lazaina ho tsy mbola voafehy ny tena manahirana ny vahoaka amin’ny andavanandrom-piainany raha toa ka mirona amin’ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa hatrany ny Filoha. Raha ny fampanantenana nataon’ny Filoha frantsay kosa no jerena manoloan izany , azo eritreretina ny hitondra vahaolana ho an’ny Madagasikara ny fihaonan’izy ireo fa any amin’ny Filoha Andry Rajoelina sisa ny baolina. Hotolorany amin’ny vahoaka Malagasy ve ny baolina sa ho tazominy ho azy irery ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire