ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Efa manomboka ny fifaninanana baolina kitra karakarain’ny kaominina

Nanomboka ny alahady teo ny fifaninanana baolina kitra izay karakarain’ny kaominina Talata Volonondry. Mbola mitohy ihany anefa etsy ankilan’izany ny fandraisana ny anaran’ireo klioba vonona handray anjara amin’izany fifaninana izany, raha ny voalaza.

« Nisy ny fihaonana teo amin’ny ekipan’i TMTF Tal Vol sy Andranotsimihozo ary ny FC 24 Tal Vol sy Morarano Idilana ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo no nisantatra ny fifaninana izay karakarain’ny kaominina. Mbola manentana hatrany ireo klioba manam-panam-panirina handray anjara amin’izany anefa ny kaominina satria mbola azon’izy ireo atao ny misoratra anarana ao anatin’izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Zava-dehibe ho an’ny klioba sy ny tanora mpilalao ny taranja baolina kitra ny fifaninana tahaka izao. Hisaorana ireo mpikarakara satria anisan’ny manandratra avo ity taranaja ara-panatanjahan-tena iray ity izany » hoy i Nomena, mpankafy baolina kitra.

Ny fanohanana ny sehatry ny fanatanjahan-tena dia anisan’ny manohana sy manome sehatra ny tanora. Ny tanora izay maro an’isa tokoa ary mila izany mba ho fampivoarana azy sy hitaizana azy ireo

Manitra R.

Laisser un commentaire