Maurice : Malagasy ihany koa no hanazatra ireo mpilalao baolina kitra handray anjara amin’ny JIOI
Raha i Romuald Rakotondrabe na i Rôrô no voatendry hanazatra ny ekipa malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra handray anjara amin’ny lalaon’ny nosy ary amin’ny ranomasimbe indianina dia teratany malagasy ihany koa no voafidy hitarika ny ekipan’ny nosy Maurice.
I Fidy Rasoanaivo no voatendry hisalotra izany andraikitra izany ary handimby an’i Tony François amin’ny fitarihana ny Club M. Efa manana traikefa amin’ny baolina kitra ao an-toerana ny tenany izany efa nanazatra klioba maro samihafa tao amin’ny nosy nandritra ny 23 taona.
Ea nitarika ny ekipa U20 tao Maurice izy ny taona 2017 nandritra ny Jeux de la Francophonie sy ny tournoi Cosafa. Talohan’ny fanendrena azy hiantsoroka ny Club M. kosa dia nitarika ny AS Port-Louis 2000 izy.
