Harena an-kibon’ny tany : Nandray fepetra hentitra ny Ministera ho an’ireo tsy manara-dalàna
Hatramin’izay dia tsapa fa nisy fahalalahana ny sehatry ny fitrandarahana sy ny fanondranana harean an-kibon’ny tany avy eto Madagasikara. Nasiam-panovana sy fanarenana izany ho an’ny Ministera tompon’andraikitra. Misy ny fepetra hentitra horaisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka izany volavola-dalàna vaovao izany.
« Mety hiafara hatramin’ny fanesorana ny fahazoan-dalana, ny tsy fanatanterahana ireo fanovana misy ao anatin’ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena ankibon’ny tany. Efa ezahina hamoraina ny lalana ary hatao haingana dia mivaly ny fangatahana saingy mila manaraka ireo lalàna kosa anefa mifandraikia amin’izany » hoy i Rakotomalala Herindrainy Olivier, minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika.
Maro ny zavatra niova tamin’io volavolan-dalàna io izay noraisina nanoomboka ny taona 1999 ka nahitsy ny taona 2005. Ny tanjona lehibe dia ny hahazoan’ny firenena tombony, nefa tsy hahafaty antoka ny mpisehatra. « Tsy vitan’ny hoe manaraka ny lalàna mifehy ihany no tokony hatao amin’ity sehatra ity. Tokony hotsokilovina tanteraka ny mahakasika ny kolikoly fa io no tena mahatonga ny fahaverezan’ny harena maro be. Malalaka be ny lalan’ireo mpisehatra tsy nahazo alalana ka tokony izany no hojerena akaiky », hoy ny solontenan’ireo mpisehatra manana fahazoan-dalana.
Marihina fa tsy maintsy nisy io fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany io. Mba hahafahana mampiroborobo ny fitrandrahana vaventy, fanaovana ho matihanina ny fitrandrahana madinika, ny fijerena manokana ny volamena, ny fametrahana ny « central de l’or » sy ny resaka vatosoa no anton’izany. Ny Ministera sy ireo mpisehatra rehetra no niaraka namolavola ity lalàna ity ary nampandalovina teo amin’ny CRDA izany.
Miora Raharisolo
