PolitiqueTatitra

France : Tsy nahomby ny fandrahonana amin’ny fanafihana tamin’ny faran’ny herinandro

Tsy nahomby ny “fikasana hanapoaka ny ady” nandritra ny faran’ny herinandron’ny Paska teo, noho ny fanamafisana ny fanetsiketsehana ireo mpitandro filamina tao France, taorian’ny nisian’ny fanafihana jihadista niseho tao Moscou, herinandro teo izay. Tafakatra amin’ny aavo ambony indrindra ilay tahalaka napetraka enti-misoroka ny fanafihana ny ady ao France na ilay « Vigipirate », taorian’ny nisian’ny fanafihana nahafetsana olona maro tao amin’ny toeram-pilanonana iray, akaikin’ny renivohitra rosianina, izay nataon’ny fanjakana Islamika. 

Laisser un commentaire