ActualitésTsidika

Talata Volonondry: Ao anatin’ny fanamboarana ny biraon’ny lycée ireo tomponandraikitra

 Mbola mitohy hatrany ny asa fanamboarana ny birao eto amin’ny Lycée Talata Volonondry amin’izao fotoana izao. Tsy mora ny fanatanterahana ny asa, saingy manao ezaka hatrany ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany, arak any voalaza.

“Nanomboka ny volana mai 2022 no efa natao ny ady fototra amin’ny fananganana ity biraon’ny sekoly ity. tsy maintsy vita anefa ny asa, ary izay ihany koa no tanjona napetraka dia ny hanangana izany hanaraka ny fenitra” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivoarana ny sekoly ny fananganana foto-drafitr’asa tahaka izao. Hisaorana ireo tomponandraikitra manao ezaka amin’izany satria tsy mora tokoa ny manao izany ho fanatsarana ny sekoly” hoy I Sahondra, ray aman-drenin’ny mpianatra.

Araka ny voalazan’ny tomponandraikitra hatrany, dia efa ao anatin’ny famaranana ny asa fananganana ity birao ity.

Laisser un commentaire