ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Ringan’ny doro-tanety ny ala eto Madagasikara

Mila ho isan’andro tato ho ato ny fandripahana ny ala ataon’ireo olona tsy manaja ny tontolo iainana. Ireo faritra izay anisan’ny tena arovana fatratra sy mirakitra ny harem-pirenena no tena lasibatra tao anatin’ny iray volana monja.

Tao Ambodimanga, Andranofasikaka sy Bemena no nahitana firehetan’ny ala nifanesy ny faran’ny herinandro lasa teo.  Mahatratra hatramin’ny dimapolo isan-jato mahery ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, izay hita fa mitombo raha oharina amin’ny taha-pahavitrihan’ny mponina amin’ny fambolen-kazo. Izany hoe manan-talenta amin’ny fanimbana ny tontolo iainana ny Malagasy.

Mifanohitra tanteraka amin’ny vina napetraky ny filoha ny zava-mitranga ankehitriny. Tanjona ny hametrahana an’i Madagasikara ho lasa Nosy maitso ; saingy indrisy fa fihetsika mifanipaka amin’izany no asehon’ireo olom-pirenena. « Mialohan’ny hiezahantsika hanamaitso indray an’i Madagasikara dia mila arovantsika ireo ala izay kely sisa tavela. Fampandrosoana maharitra sy lovain-jafy ny fambolen-kazo no sady fiarovana ny tontolo iainana » hoy i Lalatiana, mpianatra “agronomie » eny ankatso. « Mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra, indrindra fa ny mpitondra sy ireo lehibe izay mitarika ny firenana ny fijerena ifotony ny olana. Tsy hoe te hihinana trondro ia tolorana trondro avy hatrany, nefa tsy ho vita akory ny hanome azy izany mandrakizay. Ampianarina hitady fomba amin’ny ara-dalana hahazahoany izay rehetra ilainy amin’ny fianany andavan’andro izy » hoy i Vero Arimanana, renim-pianakaviana.

« Ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara no goragora, hany ka tsy manana tahotra intsony ireo mpandika lalàna amin’ny fanimbana ny tontolo iainana. Olona iray no mahazo voka-tsoa raha toa ka vahoaka manontolo no mizaka ny loza haterany » hoy i Niry, mpiandry valan-javaboary ao Antananarivo. « Efa nanomboka ny fanadihadiana ny raharaha ankehitriny. Efa nisy ihany koa ireo olona voarohiroy tamin’ny fandorana ny ala ka manaraka fanadihadihana eny amin’ny manam-pahefana izay misahana ny fiarovana ny ala sy ireo valan-javaboary » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

Azo ambara fa mandrora mitsilany ihany ny vahoaka Malagasy ankehitriny, indrindra ireo mandoro ny ala. Loza mitataho ho an’ny firenena ny faharinganan’ny ala izay tsy tsapan’ireo olona tsy mitsinjo ny ho avy izany. Fampandraisana andraikitra mivantana ireo mponina no anisan’ny paik’ady iray hanampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Izany ho ireo mponina eny amin’ny maodidina ihany dia afaka miady amin’izany fa tsy hiandry ny mpitandro ny filaminana foana. Ny fiaraha-mientan’ny tsirairay ihany no ahafahana mahatratra ny tanjona izay napetraky ny mpitondra. Mila manana toetra sarotiny amin’ny fikajiana ny tontolo manodidina isika raha tiana ny handresy ireo loza ateraky ny fikorontanana sy fahasimban’ny tontolo iainana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire