ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny asa fandalinana sy fisafoana ireo tatatra

Nirotsaka an-tsehatra, nanatanteraka fisafoana sy fandalinana ireo tatatra famoahana rano maloto, ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Alasora, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Hita nandritra izany ireo lesoka sy fahazaran-dratsy fanaon’ny mponina ka mahatonga ny fahatsetsenan’ny lalan-drano amin’izao.

“Raha atao amin’ny teny tokana mahalaza azy ny zavatra hita nandritra ny fisafoana teny ifotony, dia mandrora mitsilany ny mponina. Saika ireo fako ariana eny rehetra eny avokoa no mameno ny tatatra, mahatonga ny fahatsetsenana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Ankoatra ny fanentanana amin’ny fanovana toe-tsaina ho fitandrovana ny fahadiovana, dia ny kaominina sy ny fokontany na ireo tomponandraikitra misahana ny fahadiovana mihitsy no mila mandray an-tanana, manome fepetra sy manara-maso ary manisy sazy ho an’ireo izay tratra mandoto” hoy I Ginah, mponina ao Alasora.

 Mila fampianarana sy fanabeazana ny fiaraha-monina. Miainga amin’ny fahalala-tsaina sy ny fahafantarana ny fandrosoana sy ny fivoarana. Tsy ampy fotsiny ny fanentanana sy ny fampandraisana andraikitra araka izany, fa mila omena fanabeazana sy fitsipika ifampifehezana ihany koa ny eny ifotony mba hahatonga azy ho tompondraikitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire