Ny koban’i Talata volonondry.
Ny toerana rehetra dia samy manana ny lazany avokoa, na aiza na aiza eto Madagasikara. Katsaka sy solovolo ohatra ny mampalaza an’Ambatomirahavavy, vary amin’anana sy saosisin’Ambanitsena raha toa ka koba sy saosisy ny any Talatan’ny volonondry. Ka isany mpanamboatra izay koban’ny talata izay indrindra i Ramilijaona Maurice, avy any talatan’ny volonondry no tany niaviany ary eto Andrenivohitra no fonenany ankehitriny ary mbola manohy io asa fanamboarana koba io izy amin’izao fotoana.Lova avy amin’ny rainy no nahatonga azy nanao izao asa io ary tsy nieritreritra ny hanao asa hafa intsony izy fa nandimby ny rainy avy hatrany araka ny filazany. Telopolo taona mahery izao no nanaovany ity asa fanamboarana koba ity ary mbola io no hamelomany ny ankohonany mandrak’ankehitriny.Karazany telo ireo akora ilaina rehefa hanao izay koba izay dia ny voanjo menakely; izay anisan »ny betsaka indrindra anaty koba, ny siramamy ary ny koba-vary. Ary dingana tsotra ihany no lalovana amin’ny fikarakarana azy dia ny fanangaroana ny akora rehetra ilaina amin’ny rano sy fonosina amin’ny ravjn’akondro ary farananan amin’ny famatorana azy amin’ny zozoro izany. Taloha hoy izy nandrahoina tamin’ny afo kitay saingy nisy tsy masaka ny sasany ka ankehitriny kosa dia arina fandrehitra no ampiasaina ary maharitra roa andro no fandrahoina izany anaty barika voatokana.Mahatratra hatrany amin’ny 90 sentimetatra ny alavan’ny koba iray ary manomboka amin’ny 500 ariary dia afaka mihinana izany.Nambarany fa lakamisy rehefa tsenan’i mahamasina ihany no fotoana fivarotany eo alohan’ny pharmacie eo. Ny andavan’andro tsy mivarotra hoy izy fa alakamisy ihany fa nohamafisiny kosa fa azo atao tsara ny manao commande ary mila milaza roa andro mialoha ary raha betsaka dia erinandro mihintsy. »Io izany ohatry ny asa rehetra e! Ohatry ny varotra rehetra ihany koa, rehefa mandeha izy dia mahavelona moa ny fanajana azy eo koa », izay no nambaran’i RaMaurice.Ririnina no tena mandeha ny tsena noho izy be voanjo ka mitera-menaka sady koa mamy.Hafatra nampitain’ny ramose Maurice ny hoe : » Ilay koba izany betsaka no mahay, anefa betsaka ilay manaonao foana, ilay manaonao foana tiako tenenina izany le manafangarongaro zavatra ankohatry ny akora efa voalazako tetsy ambony, ilay manena mason-karena satria hafangarony zavatra hafa ilay izy dia mba mihena ilay voanjo anefa izay manimba an’ilay asa-tanana sy ny imagen’ilay koba mihintsy no aomba satria isika malagasy ihany anie no manana io koba io e ! Dia ilay manaonao foana izany tsy mety e ! ».
Narcia Hantanirina



