ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny lalao baolina kitra « tournoi Mafbe »

Hisy ny lalao baolina kitra  » tournoi Mafbe », izay atao ao amin’ny kianja Andohalo Ambohibato, kaominina Ambohimanambola, ny alahady 12 Novambra ho avy izao. Ny As selection avy ao an-toerana no mikarakara ny lalao amin’izany fotoana izany, ary manasa ireo klioba avy ao an-toerana sy ny manodidina ka vonona ny hilalao, handray anjara.

« Antsoina ireo mpitia lalao baolina kitra eto Ambohimanambola sy ny manodidina, izay vonona ny handray anjara amin’ny lalao. Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny lalao. Kopy ondry roa io ka  ny mpilalao sisa no andrasana » hoy ireo mpikarakara ny lalao.

« Anisan’ny mampiala voly ary mampiray ny mpitia fanatanjahantena ety amin’ny kaominina sy ny manodidina ny lalao baolina kitra tahaka izao. Ireo mpanaraka sy mpanohana ihany koa tsy mba diso anjara amin’ny fanarahana ny lalao ary miala voly rehefa faran’ny herinandro » hoy I Fidèle, mpankafy baolina kitra.

Anisan’ny lalao mila fanohanana ny taranja baolina kitra. Anisan’ny olana sedrain’izy ireo ny tsy fahampiana foto-drafitr’asa eo amin’ny resaka kianja sy eo amin’ny filàna ara-matetrialy sy ara-bola.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire