Tsidika

CISCO Ankazobe : Nivoaka ny « vacation » CEPE sy BEPC 2019

Nanomboka ny alarobia 4 Aogositra ny fizarana ny vola ho an’ireo mpampianatra avy ao amin’ny fari-piadiadiam-pampianarana Ankazobe izay nikarakara ny fanadinana CEPE sy BEPC 2019.

Mpampianatra miisa 170 (114 mpiasam-panjakana ary 56 mpampianatra tsy misitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana na « ENF ») no nahazo izany. Nanatrika izany fizarana izany ny lehiben’ny fari-piadiadiam-pampianarana Ankazobe sy ireo mpiara-miasa aminy. Nandritra ny fandraisam-pitenena nataony dia nisaotra sy nankasitraka ny fitondram-panjakana izy ny amin’ny fanohanana ataon’ny fanjakana ireo mpampianatra ireo.

Naneho fisaorana ho an’ny fitondram-panjakana ihany koa ireo mpampianatra ary mangataka kosa ny mba hanefana izany vacation izany ara-potoana. « Vacation tamin’ny 2019 no izao raisina taona 2021 izao ka raha mba azo atao dia mba tokony hivoaka isan-taona izany vacation izany » hoy i Felana, mpampianatra. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny io fari-piadiadiam-pampianarana io ihany dia hitohy mandritry ny herinandro izany fizarana izany. Mbola maro hatrany anefa ireo CISCO mbola tsy nahavoaray izany vacation izany, isany ny eto amin’ny CISCO Antananarivo. Hisy fiovana matotra ve ny fomba fiasa amin’ny fandoavana izany vacation izany sa mbola ho afaka roa taona indray vao horaisina ny vacation 2021 ?

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire