SocialTsidika

Hisy ny fiovan’ny vidim-pidirana ao amin’ny Parc Tsimbazaza

Hisy ny fiovana eo amin’ny vidim-pidirana ao amin’ny sahan-java-maniry sy ny biby Tsimbazaza manomboka ny sabotsy 14 aogositra 2021 ho avy izao. Raha 500 ar ohatra ny an’ny besinimaro teratany Malagasy teo aloha dia lasa nasiana sokajiny izany manomboka io daty io satria ny ankizy 6 taona hatarmin’ny 11 taona no 600 ar ary ny mihoatra an’izay dia niova ho 1000 ar.

« Tapaka nandritra ny fivorian’ny filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny Sahan’ny zava-maniry sy ny biby Tsimbazaza fa miova ny vidim-pidirana manomboka ny 14 aogositra izao ka ny ankizy teratany Malagasy latsaky ny  5 taona tsy mandoa raha toa ka 600 ar ny an’ireo ankizy latsaky ny 11 taona ary 1 000 ar kosa ny an’ireo mihoatra an’izany ; fa ho an’ireo vahiny kosa dia 8 000 ar  ny ankizy hatramin’ny 11 taona ary 20 000ar ny mihoatra ny 12 taona » hoy i Rabefitia ny filohan’ny sampana fitantanam-bola eny anivon’ny Parc Tsimbazaza.

« Nahitana fihenany ny mpitsidika ny parc noho ny hamehana ara-pahasalamana, betsaka ny ilàna vola hampiodinana ny parc sy hanatsarana izany ka avy amin’ny vidim-pidirana ihany no vola miditra ho an’ny parc hanefana ny filàna rehetra ato » hoy Raveloarinoro Gisèle, Tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny parc Tsimbazaza.

« Ny fanohanantsika rehetra ny valan-javaboahary toy i Tsimbazaza dia isan’ny mitondra fandrosoana ny tontolo iainana eto Madagasikara » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Tsy ho atao sakana tsy hitsidihana ny sahan’i tsimbazaza anefa izao fiakarana izao satria ny fisian’ny mpitsidika aza no tena mampandroso azy izay tsy inona fa harenantsika Malagasy ihany. Hanao ahoana anefa ny mety ho fiovana ao amin’ny Parc aorian’izao fiakarana izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire