Hizara traikefa ho an’ny tanora i Arikaomisa Randria
Hanatanteraka fampiofanana ho an’ireo tanora vao misandratra ny andrarezina amin’ny fanoratana sy ny filalaovana tantara, Arikaomisa Randria ny septambra hatramin’ny oktobra eny amin’ny ESDES Ankadivato.
Hizara telo lehibe ny fampiofanana, ao ny filalaovana tantara an’onjampeo, ny filalao an-tsehatra sy ny filalaovana sarimihetsika ary indrindra ny fanoratana. « Olon’ny literatiora i Arikaomisa Randria ary efa nanoratra boky maro sy nilalao tantara na tamin’ny radio na sarimihetsika ary indrindra mpanoratra ihany koa » hoy i Joachin, mpanoratra Malagasy. « Efa betsaka ny sehatra hanadratana ny teny malagasy ary vao 14 taona monja aho dia efa nanoratra angano tao amin’ny fandaharana « Ny talentako » tao amin’ny radiom-pirenena Malagasy tamin’ny taona 80 ary nanohy fianarana teny amin’ny Oniversite tao amin’ny taranja Mlagasy aho mba hanatsarako izany avy eo » hoy i Arikaomisa Randria.
« Harena be fananana andrarezina tahaka azy ka aoka isika hanararaotra ny fotoana hihaonana aminy mba hakana traikefa ho entina hanatsarana ny kanto eto Madagasikara » hoy i Mihaja, tanora liana amin’ny resaka literatiora Malagasy.
Tsara tokoa ny maka traikefa amin’ireo efa nahita izany mba hizorana any amin’ny fandrosoana, efa betsaka tokoa ny tanora liana amin’ny filalaovana tantara saingy tsy dia ampy fahaiza-manao hany ka miala an-daharana. Fotoana izao hihaonana amin’ny efa za-draharaha.
Nicole Rafalimananjara
