ActualitésTsidika

Fifanarahan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny ONG « Jardins du monde »

Anisan’ireo velirano nataon’ny Filoha ny hoe « fampianarana sy fanabeazana ho an’ny Malagasy rehetra ». Ary zon’ny zaza ny ahazo fampianarana tsara kalitao sy tsy mitanila.

Tontosa ny fanaovan-tsonia amin’ny fiaraha-miasan’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena DIANA sy ny ONG Jardin du Monde. « Miompana amin’ny fanofanana ireo mpisehatra eo anivon’ny fanabeazana mba ahafahan’ireo mponina any an-toerana misitraka ny vokan-tsoa azo avy amin’ny zava-maniry ity fifanarahana ity » raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra. « Anisan’ny teboka lehibe navohitra sy hita tao anatin’ity fifanarahana ity ihany koa ny fananganana foto-drafitr’asa »hoy ireo solon-tena avy ao amin’ny ONG Jardin du monde.

Hita tokoa mantsy fa vao misintaka ny tatan-dehibe dia tsizarizary ireo foto-drafitr’asa hianaran’ny mpianatra, hany ka manano sarotra ny fandrindrana ny taom-pianarana. « Misy ireo sekoly no tsy misy tafo fa solaitra be sy rindrina fotsiny ihany, hany ka rehefa fahavaratra ny andro dia tsy mianatra ny mpianatra »hoy i Bebisoa, ray aman-drenin’ny mpianatra ao DIANA.

Efa nisy arak’izany ny fananganana trano fianarana ao amin’ny CEG Marovato Scama, Zap Arivonimamo, Cisco Antsiranana II sy trano fianarana ao amin’ny EPP Morafeno, Zap Joffre Ville, Cisco Antsiranana II.

« Efa ela izahay ray aman-drenin’ny mpianatra teto no nanao antso avo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana mba hijery ny foto-drafitr’asa fa mampalahelo ireo kilonga. Maro ireo tompon’andraikitra efa nandalo sy nijery ary nampanantena saingy indrisy fa tsy nisy tohiany. Lasa fitadiavam-bola ampidirina any ampaosy fotsiny ihany ny ho avin’ny ankizy ankehitriny »hoy i Gervais, ray aman-drenin’ny mpianatra any an-toerana.

Tsy mahagaga raha tonga amin’izao toerana misy azy izao i Madagasikara, ny vola tokony ho entina anaovana foto-drafitr’asa sy hanampiana ireo zana-bahoaka sahirana mba hiditra any an-tsekoly no ahodin’ireo ao ambony. Mila fanarenana hatrany ifotony mihitsy ny toe-tsaina sy ny fampianarana eto amin-tsika.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire