ActualitésTsidika

Alasora : Vaky ny paompy ao Amboasary Ambodivondava

vaky ny paompy ao Amboasary Ambodivondava Alasora hoy Andrianarivo Herizo. Marihina fa efa ela izy ity no nanomboka tsy tomombana. Araka ny voalazan’ireo mponina dia vao nanomboka nisy namoaka ilay lalan-drano no efa niantso ny tompon’andraikitra misahana ny izany izy ireo fa mbola tsy nisy ny fanamboarana hatreto. Volana maromaro aty aoriana izao dia miboiboika tanteraka ilay rano no sady simba ihany koa ny làlana eny anivon’ny kaominina, noho io rano miparitaka io. Ireo tompon’andraikitra eny an-toerana toy ny ben’ny tànana dia efa mihezaka hatrany mitady vahaolana mahakasika izany. Hiangaviana ireo tompon’andraikitra misahana izany mba hanao ny fanamboarana tokony hatao.

#sary Fanehoana

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire