Italie : Nosy malaza ho be angatra indrindra eran-tany i Poveglia
Nosy ao amin’ny ranomasin’i Venise i Poveglia. Malaza amin’ny fisan’ny lolo izy. Niala tao an-toerana avokoa ireo mponina noho ny tantarany sy ny lazany ary efa toerana foana iny nosy nanomboka ny taona 1968.Toerana fihiboana ny nosy Poveglia, indrindra nandritra ny pesta lehibe tao Europe ny taonjato fahenina ambin’ny folo. Olona 160 000 no nalefa tao amin’ny nosy raha ny fanazavana ary matin’ny aretina tao avokoa, nisy tamin’ireo aza tsy narary akory fa nodorana velona tao amin’ny lavaka nandorana ny matin’ny aretina.Tsy mbola voamarin’ireo mpahay tantara nefa raha tena izany tokoa ny nahatonga ny lolo be dia be tao an-toerana. Nisy hopitaly ho an’ny marary saina ihany koa mantsy tao an-toerana ny taona 1922 ary naheno feo sy zavatra nampatahotra izy ireo ka nanomboka namono-tena.
