ActualitésTsidika

Alasora : Novatsiana fampiasakafoanana an-tsekoly ny EPP Miadana

Hisitraka ny fampisakafoanana an-tsekoly na ny cantine scolaire ny EPP Miadana, ao amin’ny kaominina Alasora. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny Eglise Protestante Biarritz Bayonne no nampisy izany ao an-toerana, raha ny voalaza.

“Tontosa soa aman-tsara, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny asa famatsiana cantine scolaire, eto amin’ny EPP Miadana. Hisaorana tomponandraikitra Agnès Raharinosy, izay angady nanana sy vy nahitana izany fiaraha-miasana.” hoy ireo tomponanfdraikitra avy amin’ny kaominina.

“Tsy tokony ataon’ny tomponandraikitra ambanin-javatra tokoa ny fanohanana ara-tsakafo ny mpianatra tahaka izao. Maro amin’ny zaza Malagasy amin’izao fotoana no iharan’ny tsy fahampian-tsakafo vokatry ny fahasahiranan’ny ray amandreny ka zara raha misakafo mandeha mianatra kanefa tena misy fiantraikany eo amin’ny fifantohana sy ny vokatra ao an-tsekoly izany” hoy i Tongasoa, mpampianatra.

Anisan’ny vina napetraka nandritra ny fandalovan’ny ben’ny tanàna tany Frantsa moa ity fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity. Marihina fa ankizy mpianatra miisa 270 ao an-toerana no hisitraka izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire