ActualitésTsidika

Anjeva: Nisy ny fitsirahana ireo mpamokatra nahazo fiofanana tamin’ny tetik’asa Ambioka

Efa ampiharina ao amin’ny kaominina Anjeva gara amin’izao fotoana izao, ireo teknika fambolena, ao anatin’ny tetik’asa Ambioka. Ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fitsirahana teny amin’ireo mpamokatra ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Nisy ny fidinana ifotony sy fitsirihana ireo mpamokatra nahazo fiofanana amin’ny tetik’asa Ambioka, miparitaka amina fokontany miisa fito amin’ny folo ato anatin’ny kaominina. Tanjona amin’izany ny tsy fampiasana zezika simika, fiompiana sy fampiasana zezika natoraly azo avy amin’ny kankana, tain’omby, fako voahodina sy ny sisa” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

“Antoky ny fahasalamana ny fampiasana ny zezika biolojika. Hisaorana ny tomponandraikitry ny kaominina manome sehatra malalaka ny fampiroboroboana ny fampiasana izany ety an-toerana, indrindra ny fanentanana ny tantsaha hampiasa izany” hoy i Vero, mponina ao Anjeva.

Anisan’ny fampiroboroboana ny seha-pivelomana fototra ny fampiharana ireo teknikam-pambolena vaovao. Ilaina tokoa ny manovaova ny fomba famokarana mba hanatsara ny vokatra sy ny kalitao azo, indrindra fanatsarana sy fampivoarana ny sehatry ny fambolena, izay antoky ny fampandrosoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire