Zotra 137 : Mitaraina amin’ny fomba fiasan’ny mpamily ny olona
Goragora ny fanajana ny lalana hoan’ny mpamily fiara zotra 137. Mitaraina ny mpandeha fa ratsy ny fomba fiasa. Amin’ny sehatra tahaka ity dia tokony misy hatrany ny fanajana ny lalana napetrakan’ny kaoperativa. « Betsaka ny fiara 137 no tsy manaraka ny lamina. Misy ny sasany miodina an-dalana. Ny maraina sy ny hariva no tena fanaovan’izy ireo izany. Mody tenenin’ izy ireo hoe hatramin’ny……. ny farany , nefa miodina izy ireo dia mameno indray. » ,hoy Vero, mpandeha taxibe.
Tokony jerena akaiky ny fitarainan’ny olona toy izao mba hitsinjovana ny zon’ny mpanjifa. Ilaina ny fifampitsonjovana mba hanarahana ny lamina napetraka. « Tokony hatsaraina ny fomba fiasa ny mpamily fa lasa mivaona amin’ny fitsipika mifehy ny kaoperativa. Ny mpanjifa no tokony hajaina voalohany raha tiana hanana fifandraisana tsara amin’izy ireo. », hoy i Mahasolo, mponina Andoharanonofotsy.
Fepetra takiana ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fiara ao anatin’ny kaoperativa. Mba hampirindra tsara ny fifamoivoizana ny fanajana izany. Tokony hatsapa tena ireo mpamily amin’ny fihetsika izay ataony. Fifampitsonjovana amin’ny rehetra no tokony jerena. Raha misy ny lonilony eo amin’ny fiara mpitatitra sy ny mandeha dia tsy hisy mihitsy ny fifanajana sy ny filaminana. Andraikitran’ny tsirairay araka izany, ny mifampiteny raha toa ka tsy manaraka ny lalana ny mpamily. Tokony hijoro foana ny mpandeha amin’ny fitakiana ny rariny. Rehefa mahita tranga tsy fanarahan-dalana dia misy laharan’ny finday ao anatin’ny fiara. Antsoy ary ampandreneso ny tompon’andraikitra.
Erwan RAN
