ActualitésTatitra

Seychelles : Firenena afrikanina voalohany nanaiky ny fifarahan’ny OMC momba ny fanampiana eo amin’ny sehatry ny jono ny nosy

Firenena afrikanina voalohany nanaiky ny fifarahan’ny OMC (organisation mondial du commerce) momba ny fanampiana ara-bola eo amin’ny sehatry ny jono i Seychelles. Efa nametraka ny antontan-taratasy nanaiky izany tany amin’ny OMC izy ireo ny 10 martsa teo raha ny fanazavana.

Nilaza ny ministeran’ny jono sy ny vola taorian’izany fa maniry izy ireo mba hahatanteraka ny vinan’izy ireo eo amin’io sehatra io ity fifanarahana ity. Tafiditra ao anatin’izany vina izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny jono am-pitandrovana ny tontolo an-dranomasina sy ny loharano fototra mba hampaharitra ny sehatra.

Nanambara kosa ny tale jeneralin’ny OMC, Ngozi Okonjo-Iweala fa faly sady mirehereha amin’ny faneken’i Seychelles io fifanarahana io.

Laisser un commentaire