Ampefy: Nahitana tranga fanafihana
02 Oktobra, Tokantrano roa no voatafika nandritran’ny alin’ny 29 septambra teo. tao Ampefy, Ankaditehana fokotany Avarabohitra. Nisy andihan-jiolahy maromaro nirongo zava-maranitra tonga tao an-tanàna; izay nanao fanafihana tamina tokantrano roa. Tao anatin’izay fanafihana izay no nahavery ny vola sy finday tao amin’ilay tokantrano iray, ary entam-barotra sy zava-pisotro tao amin’ilay iray hafa. Tao anatin’izany anefa, nisy nampandre ny zandary teny an-toerana ka raikitra ny fifandonana sy ny fifanenjehana. Azo ny iray tamin’ireo olon-dratsy saingy tafatsoaka kosa ny ambony. Mbola mitohy ny fikarohana ireo tafatsoaka araka izany.
