Dépêches

Fidirana ho Polisy : Hifarana rahampitso 16 febroary ny fisoratana anarana.

Dépêche 15 février, 15h, Araka ny efa nambara ombieny omùbieny dia hifarana rahampitso 16 febroary 2023 ny fisoratana anarana hidirana ho mpianatra Polisy. Hotanterahina ny 18 sy 19 martsa ho avy izao araka izany ny fifaninanana ho amin’ny dingana voalohany. Mbola azo atao hatrany ny mijery ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ireo izay mbola liana amin’izany ao amin’ny www.pn.gov.mg sy eny amin’ireo toerana hiasan’ny Polisim-pirenena. Enjehin’ny lalàna hatrany araka izany ireo izay minia manao hosoka izany antontan-taratasy rehetra ialina izany. 

Laisser un commentaire