Dépêches

Federasiona Malagasin’ny Judo: Voafidy i Bruno Eric SAID

28 Desambra, 08h00. Notanterahana ny alatsinainy 27 desambra 2021 teo ny fifidianana teo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Judo, natrehan’ny solotenan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena ary ny Komity Olimpika Malagasy. I Bruno Eric SAID lany hitantana ny Federasiona Malagasin’ny Judo mandritra ny 4 taona manaraka. Nitana ny toeran’ny sekretera jeneraly teo anivon’ny judo malagasy nanomboka ny taona 2013 ka hatramin’ny 2021. Efa nitanany ny toeran’ny solotenan’ny atleta teo anivon’ny federasiona ny taona 2000 ka hatramin’ny 2004 nandritra ny fitantanan’ny filoha Ashikhoussen ihany koa izy.

Laisser un commentaire