ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Misy ny tolotr’asa ho an’ireo tanora mavitrika

Misy ny tolotr’asa ho an’ireo tanora 21 taona no miakatra, mazoto, mavitrika, ary vonona hanatsara ny fari-piainany avy amin’ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny banky iray ho an’ny tanora ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba.

« Ilaina tokoa ny tolotr’asa tahaka izao ahafan’ny tanora mivelatra sy manatsara ary manomana ny ho aviny » hoy ny tompon’andraikitra. « Tokony ny isam-pokontany no afaka misitraka izany avokoa satria maro ireo tanora no liana kanefa izy ity ho an’ny fokontany iray fotsiny » hoy i Malala mpianatra. « Misy hatrany ny ezaka entina hanampiana ny mponina indrindra ny tanora amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra isan-karazany mba hisian’ny fivelarana sy ny fampandrosoana » hoy ny avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Azon’ireo tanora liana amin’ity tolotr’asa ity atao ny misoratra anarana dieny izao ao amin’ny biraom-pokontany Ambohitrarahaba mialohan’ny faha 21 septembra izao. Mbola hisy moa ny fiofanana omena ireo vonona izay atao eny amin’ny kaominina mialohan’ny hanatanterahana ny asa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire