ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mitohy ny fandraisana mpianatra momba ny tefy vy ao amin’ny BTC

Mitohy ny fandraisana mpianatra amin’ny fampianarana ferronnerie d’art (tefy vy) amin’izao fotoana izao eny amin’ny BTC Ambohimangakely. Anisan’ny mampiavaka ny ivon-toerana ny fanofanana mahakasika ny asa-tanana ankoatra ny hetsika ara-kolontsaina, ny ara-java-kanto sy ny ara-panatanjahantena.

« Azo atao manomboka izao ny manoratra anarana ety amin’ny BTC Ambohimangakely. Isaky ny talata amin’ny 1ora ka hatramin’ny 5ora hariva sy ny alakamisy amin’ny 8:30 hatramin’ny 5 ora ary sabotsy amin’ny 8:30 hatramin’ny 12ora  ny fianarana ho an’ireo izay liana » hoy ny tompon’andraikitra.

« Maro ireo tombontsoa azo trandrahana aorian’ny fiofanana atao; ny fiofanana ihany koa mahafa-po hahaizana zavatra maro ary afaka avadika ho fitadiavam-bola. Amporisihana ny tanora indrindra satria ny mitady asa amin’izao fotoana efa sarotra ka ny mianatra na miofana amin’ny asa tanana ihany koa mety hahavelona » hoy i Aina, mpiofana.

Maro tokoa ireo hetsika hahafantarana sy mampiavaka ny BTC ary ilaina tokoa ny fanohanana ny fiofanana tahaka izao. Tsy voatery mandrato fianarana tokoa no mahatafita fa azo atao ny mianatra asa-tanana, mitrandraka ny talenta sy ny fahaiza-manao ao anaty.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire