ActualitésTsidika

Ambilobe – Vohemar : Efa andalam-pahavitana ny asa fanamboaran-dalana


Nandeha ifotony, nijery ny fandroasoan’ny asa fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-5A (RN5A) mampitohy an’Ambilobe sy vohemara ny ministry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry niaraka tamin’ireo delegasionin’ny ministeran’ny asa vaventy.

« Ny 95% amin’ny asa no efa vita ankehitry ary manaraka ny fenitra sy ny kalitao ny asa notanterahina » hoy ny ministry ny asa vaventy nandritra ny fidinany nijery ny zava-misy tany an-toerana. « Ity lalana ity izay anisan’ny nampitaraina ny vahoaka any amin’ny faritra Avaratra nohon’ny haratsiny nandritra ny taona maro », hoy hatrany ny fanazavana.

Naharitra 20 volana no nantanterahana ny fanamboarana ny lalana ary ny orinasa sinoa CRBC (China Road and Bridge Corporation) no naira-niasa tamin’ny fanamboarana izany. Tanjon’ny ministera moa ny hamaly ny fangatahan’ny mponina amin’ny famahana ny olana amin’ny faharatsian-dalana izay miteraka fahasahiranana amin’ny fivezivezena sy ny famoahana ireo vokatra toy ny lavanila.  

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire