ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Olona 52 nanohitra ny fiandrianan’ny mpanjaka Charles III no voasambotra tao Londres

Tontosa ny 6 may teo ny fiandrianan’ny mpanjaka Charles III sy ny vadiny, Camille Parker Bowles. Raha nizotra tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny lanonana hita tamin’ny fahitalavitra dia feno korontana kosa tao ambadiky ny fakan-tsary.

Olona 52 isa nanao fihetsiketsehana no nosamborin’ny polisy tao an-toerana ny andron’io fiandrianana io tao Londres. Nahary antso ireo manam-pahefana fa nisy ireo vondron’olona nikasa nanakorontana ny lanonana ka nandray andraikitra avy hatrany. Raha ny fantatra dia ekolojista sy mpanohitra ny fitondrana mpanjaka (anti-monarchie) izao notarihin’ny « mouvement Republic », Graham Smith ireo voasambotra ireo.

Maro kosa ireo nanameloka izany fisamborana izany saingy nilaza ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Metropolitan Police tao Londres fa tsy maintsy natao izany mba nampirindra ny fiandrianana.

Laisser un commentaire