Dépêches

Fotodrafitr’asa : Tokony hiverina amin’ny laoniny alohan’ny volana martsa ny kianja nisy fahasimbana

Dépêche 07 février, 12h, Taorian’ny fitsenana tamin’ny fomba manetriketrika ireto Barea an’ny Madagasikara ireto dia nahitana fahasimbana ny kianja. Tsy maintsy haverina amin’ny laoniny anefa izany mialohan’ny lalao izay hatao eo an-toerana ny 21 martsa izao. Lalao fifanintsanana amin’ny CAN io ho atao io izay hiadiana amin’ny mpilalao avy ao amin’ny République Centrafricaine. Tsy maintsy noraisina teo amin’ny kianja ny olona sasany izay nitsena ny barea noho ny fahafenoan’ny gradins ka nahatonga ny fahasimbana. Manome toky ny avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.

Laisser un commentaire