Japon : Fanomanana ny lalao olympika
Raràna ny fampitana ny fanilo olympika eny amin’ny làlambahoaka ao an-tanàn’i Osaka andrefana nohon’ny fitomboan’ny tranga Covid-19, hoy ny governor tao an-toerana ny zoma 2 aprily lasa teo. Mbola tsy misy moa ny filazana amin’ny fomba ofisialy ny mety ho fanafoanana io hetsika io, saingy nanapa-kevitra sahady kosa ny governora ao an-toerana. “ Miala tsiny amin’ireo mpitondra jiro izahay hoy hatrany izy, fa tsy afaka hanao ilay fampitana fanilo eny amin’ny lalam-bahoaka ao an-tananan’i Osaka isika amin’ity taona ity. Hiresaka amin’ny mpikarakara io lalao io izy ireo mba hijerena toerana hafa. Tsiahivina moa fa hotanterahina amin’ny 27 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra 2021 ny lalao olympika rehefa nisy ny fanemorana izany tamin’ny taona 2020. Hotanterahina amin’ity volana aprily ity kosa anefa ny famindrana ny fanilo.Tokony handalo ao amin’io Tanana io izany ny 13 ka hatramin’ny 14 aprily izao, raha niainga tao Fukushima ny 25 marsa lasa teo.
