ActualitésTsidika

Alasora : Mbola mitohy ny fandraisana ireo mpianatra te hanaraka ny fampianarana atolotry ny kaominina

Ao anatin’ny fanohanana hatrany ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana amin’ity taom-pianarana 2023-2023 ity ny ao amin’ny kaominina Alasora, amin’izao fotoana izao. Mbola mitohy ny fandraisana ireo mpianatra, hanala ny fanadinana bakalorea amin’ny fampianarana maimaim-poana hatolotry ny kaominina, araka ny voalaza.

« Efa nanomboka tamin’ny 02 Mars teo ny cours d’appui Baccalauréat, eto amin’ny Lycée Alasora izay karakarain’ny kaominina. Mbola mandray hatrany ireo izay maniry hanaraka ny fampianarana hatrany anefa ny fampianarana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Mikatsaka fahombiazana ho an’ny taranantsika hatrany no tanjon’ny ben’ny tanana sy ny mpanolontsaina eto an-toerana. Izany no hanentanana hatrany ireo mpianatra tsy ho kivy fa hazoto, hiloho hatrany mba ahita fahombiazana » hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Raha tsiahivina, nanolotra fampianarana maimaim-poana ho an’ny mpianatra hanala ny fanadinana BEPC sy baccalauréat, sokajy rehetra, ny kaominina Alasora mba hanatsarana ny taha-pahafahana fanadinana ho an’ity taom-pianarana ity.

Laisser un commentaire