Ho avy androany ny vaksiny Janssen
Ho tonga androany ny vaksiny janssen (Johnson & Johnson) raha ny nambaran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola tafiditra hatrany ao anatin’ny « Initiative Covax » tahaka ny Covishield ihany no nahazahoana azy ary mahatratra hatramin’ny 302 400 ny fatra ho tonga amin’izany vaksiny izany.
Nomen’ny governemanta Amerikanina tamin’ny alalan’ny Masoivohon’ny Etats-Unis ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena na ny USAID ity vaksiny ho avy ity. Misy fandaminana ho apetraka kosa anefa mialohan’ny hanatanterahana ny tsindrona hoy ireo tompon’andraikitra. « 302 400 ny fatran’ny vaksiny Janssen ho avy » hoy ny Tale jeneralin’ny mpitsabo eo anivon’ny Minsiteran’ny fahasalamam-bahoaka, Dr Randriatsarafara Fidimalala ary mbola nohamafisin’ny Praiministra ihany koa izany ny alin’ny 25 jolay teo. « Ireo olona marefo hatrany no laharam-pahamehana amin’ny fanaovam-baksiny, ary tsy ho diso anjara ireo any amin’ny faritra lavitra any » hoy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Jean Louis Hanitrala.
« Izahay izao miandry ny tsindrona faharoa tamin’ilay Covishield, izay efa nilaza ny Ministra fa ho avy ihany koa izany, koa miandry hatrany ny fandaminana izahay » hoy i Hanta, mpivarotra ao Mahamasina. Etsy an-kilany, misy ireo milaza fa tsy hanao vaksiny mihitsy na inona na inona vaksiny ho tonga eo satria matahotra ny amin’ny mety ho vokany.
Ho tonga amin’ny herinandro voalohan’ny volana Aogosotra ihany koa mantsy ny vaksiny AstraZeneca izay 200 000 fatra hoy hatrany ny Ministra. Mbola manana safidy hatrany isika vahoaka na hanao vaksiny na tsia, fa raha ny any France manokana izao dia tsy maintsy manao vaksiny ny olon-drehetra noho ilay variant Delta. Tsara raha miaro tena sy malina mandrankariva satria mbola misy eto amintsika ny valan’aretina. Asa na hanao ahoana ny tahan’ny olona hanao io vaksiny Janssen io.
Nicole Rafalimananjara
