ActualitésTatitra

Suisse : Orinasa mpamokatra fanafody lehibe indrindra faharoa

Roche Holding no orinasa mpamokatra fanafohy faharoa lehibe indrindra maneran-tany ao aorian’i Johnson&Johnson. Orinasa Suisse ary noforonin’i Fritz Hoffmann-La Roche tamin’ny 1 Oktobra 1896. Mpamokatra vitamina ny orinasa tany am-piandohany. Efa mpamokatra fanafody goavana sy mpanao dignostika lehibe kosa izy ankehitriny.Vetivety foana dia nahavita nanokatra sampana maro be maneran-tany ny orinasa. Ao Allemagne tamin’ny taona, 1897, ao Milan ao Italie ny taona 1897, ao Paris ao France, 1903, ao New York ao États-Unis, ny taona 1905, ao Londres ao Grande-Bretagne tamin’ny taona 1908, ao Saint-Pétersbourg ao Russie, ary ao Yokohama ao Japon ny taona 1912.Mahatratra 65,08 miliara dollars ny « chiffre d’affaire » ny orinasa raha ny isa nivoaka ny 23 febroary 2021 teo.

Laisser un commentaire