ActualitésTsidika

Walt Disney : Akombony ny vava dia atombohy ny asa

Mety manam-paniriana ny handraharaha ve ianao ? Mitsangàna tanteraho izany fa aza ilaozana manofinofy eo fotsiny. Amin’ny fanatanterahanao izany no ahazoanao hasambarana rehefa any aoriana. Vokatr’izany ihany koa no hiankinan’ny ho avinao iray manontolo ka tsy tokony hatao ambanin-javatra izany.

Betsaka ny olona, indrindra ny tanora no tsy misy atao ankehitriny rehefa nahavita fianarana. Maro ary isan-karazany mihitsy ny olana izay manakana azy ireo amin’izany, ny ara-bola fotsiny ohatra dia efa sakana lehibe, ny tsy fananana herin-tsain sy herim-po ihany koa. Kanefa, tsarovy fa miankina aminao ny zava-drehetra, ny ho avinao rahampitso dia miankina amin’ny ataonao androany. Aza mitsahatra ny mitady vahaolana hatrany noho izany hirosoana ho amin’ny fahombiazana. Ao anatin’izany fahombiazana izany mantsy no ahitana vola izay tsy ho sakana ho anao intsony. Sahia mirotsaka an-tsehatra manatanteraka ny nofinofinao fa aza miandriandry. Aza fitahina ny tenanao, aza hampanantenaina zavatra tsy misy akory fa mitsangàna dia tanteraho ny fanirianao rehetra fa miandry anao ny fahombiazana. Miandry anao ihany koa ny tontolon’ny fandraharahana raha tsy te hijaly amin’ny fitadiavana asa sy ny ara-bola intsony.

« Betsaka mihitsy ny tanora mijanona amin’ny nofinofy fotsiny ihany fa tsy manam-piniavana ny hanatanteraka amin’izao vanim-potoana izao » hoy i Jean Claude, ray aman-dreny. « Tsy ny fanomboana ny fanatanterahana ny faniriana no zavatra tsara indrindra tokony atao fa ny fametrahana paik’ady maromaro ho enti-manatanteraka izany » hoy kosa i Vahatra, tanora te handraharaha.

Miteny kosa anefa i Walt Disney, mpanorina ny Disney Brothers Studio sy Disneyland, fa « ny fomba tsara indrindra hanombohana dia ny manajanona ny resaka ka manomboka manatanteraka ». Ny asa no ataovy be ka haneho ny zavatra rehetra tianao ambara, izay no hevitra mafonja indrindra avy amin’io teny io.

« Aza misioka raha tsy tafavoaka ny ala  » hoy isika Malagasy izay. Asa aloha vao fanehoana, izay no ataovy filamatra mba hampandroso anao. Saingy tsy voatery asehonao izany fanehoana izany fa ny tsirairay dia afaka mamakafaka ny nataonao ary maneho izany ny asanao. Noho izany, mety hahalasa lavitra kokoa ny olona iray ve ny fahatongavan-tsainany ka hanombohany mialoha ny asa izay hiandraiketany ? Sa dia mitovy amin’ireo olona tara fahatongavan-tsaina ihany ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire