ActualitésTatitra

France : Nampitandra amin’ny fifohana sigara elektrika « Puffs » ny governemanta

Mihamisarika tanora maro hatrany ny « Puffs ». Karazana sigara elektrika avy ao Etats-Unis izy io, milokoloko ary misy hanitra samihafa, mety ho voankazo na zava-mamy izany (marshmallow, …).Misy fiantraikany amin’ny fahasalamana nefa izany hoy i Loïc Josseran, mpikaroka momba ny fahasalamam-bahoaka ary filohan’ny fikambanan miady amin’ny sigara. Nanazava izy fa misy « nicotine » 0,9% hatramin’ny 1,7% ny « Puffs » sasany. Efa taha ambony izany hoy izy ary taha efa ampy mampiankin-doha (dépendance) olona iray.Manodidina ny 10 euros eo ny vidin’ny « Puffs » iray, ary arahin’ny ministeran’ny firaisankina sy ny fahasalamana ao an-toerana akaiky ny famarotana azy. Marihina fa efa misy fenitra nivoaka nahakasika io sigara io ny 17 martsa teo izay nametraka fanarahan’izany fenitra amin’ny vokatra « vapotage »

Laisser un commentaire