ActualitésDépêchesSocial

Papango 2026

Miisa 78 ny miaramila malagasy mandray anjara amin’ny sarinady iraisam-pirenena « Papango 2026 » iarahana amin’ny FAZSOI na ny Foloalindahy ao atsimo atsinananan’ny Ranomasimbe Indiana sy ireo firenena manodidina atao atsy nosy La Réunion. Nanomboka ny 21 martsa 2026 teo izy ity ka hifarana ny 27 martsa 2026

Ny tanjona amin’izao sarinady izao dia ny fanazarana ny Miaramila rehetra, ny fifanakalozana traikefa sy fanamafisana fahaiza-manao eo amin’ny mpandray anjara rehetra ary ny fanamafisana ny fiarovana ny firenena tsirairay.

Loharano: Ministeran’ny Foloalindahy Madagasikara

Laisser un commentaire