ActualitésTsidika

Fampandrosoana: mila mipetraka ho vahaolana ny tsirairay fa tsy faly mifanenjika hatrany

Noho ny rotsak’orana tsy nety nijanona tao anatin’ny andro maromaro izay dia tena niakatra be ny rano. Maro noho izany ireo toerana tratran’ny tondra-drano teto andrenivohitra. Tsy vitsy ireo voina hita taratra tetsy sy teroa nahazo ireo mponina. Tao ireo tsy maintsy niala ny trano fialofany noho ny tahotra ny mety hirodanan’ny trano. Tao ireo namoy ny ainy mihitsy noho ny fihotsahan’ny tany na trano. Tao ireo very fananana tao anatin’ny fotoana fohy noho ny fiakaran’ny rano tao an-trano ka simba tao avokoa ny entana kely mba nohariana.

Izany ny fahoriana mahazo ireo mponina amin’izao fotoana izao. Omena an’iza ary ny tsiny? Iza no tena fositra nahatonga izao voina mahazo ny rehetra izao? Matetika rehefa miseho ny tranga toy itony dia ny fifanomezan-tsiny hatrany no tonga voalohany eny am-bavan’ny tsirairay ary efa toe-tsaina raiki-tapisaka amintsika Malagasy izany. Tokony hialana anefa izany. Mba hahatongavana any amin’ny fampandrosoana maharitra dia mila mipetraka ho tompon’andraikitra sy vahaolana hatrany ny tsirairay. Raha izany no mitranga dia ho mora ny famahana ny olana.

Raha mikasika ity voina mahazo ny rehetra ity izao, dia hiaraha-mahita fa ny fahatsentsenan’ny lakan-drano no tena mampiakatra ny rano. Ireo fako arian’ny mponina eny rehetra eny no tena manentsina ny tatatra. Ankoatra izay ihany koa anefa dia hita fa ny fanotofana ny tany tokony hivarinan’ny rano dia mahatonga ny fiandronan’ny rano sy ny fiakarany eto an-drenivohitra. Samy tompon’andraikitra nahatonga izao zava-misy izao noho izany ny olom-pirenena tsirairay sy ny fitondrana. Rehefa hita araka izany ny antony tena nahatonga ny voina dia tokony tonga dia mandray andraikitra ny tsirairay. Tsy voatery miandry fahafahana ara-bola be izany fa afaka tonga dia atomboka amin’ny tsy fanariana fako eny an-dalambe fotsiny ihany ary. Tokony jerena akaiky ihany koa ny fanomezana fahazoan-dalana manototra tany eto andrenivohitra. Mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fampandrosoana. Mila mipetraka ho vahaolana ny tsirairay fa tsy manakiana sy manenjika fotsiny hatrany.

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire