Ambohimangakely : Nahazo trano vaovao ny fianakaviana iray rava trano
Nitsidika ny fianakaviana iray niharam-boina nandritra ny andro ratsy iny ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakley. Raha tsiahivina dia trano iray no nihotsaka tao Bemasoandro ny 17 janoary lasa teo. Namoy ny ainy nandritra izany ny zanaky ny fianakiavana 3 lahy.
« Tsy nanan-kaleha intsony ny fianakaviana. Tranon’olona aza no nindramina nasiana ny nofo mangatsiakan’ireto zanany. Mila fanampiana amintsika rehetra izy ireo » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Bemasoandro. « Isaorana manokana ny Mompera Pedro noho ny nanomezany ireto fianakaviana ireto trano hipetrahana. Ny kaominina Ambohimangakley no handray an-tanana ny fanefana ny hofantrano mandritra ny herintaona » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. Izao fanampiana izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fikambanana Akamasoa sy ny Kaominina Ambohimangakely izay tarihin’ ny ben’ ny Tanàna.
Tsara tokoa ny miara-mientana hanampiana ny mpiara-belona.
Nicole Rafalimananjara
