PolitiqueTatitra

Côte d’Ivoire : Fanomezam-boninahitra farany an’i Hamed Bakayoko.

Tonga nanome voninahitra farany ny praiministra Hamed Bakayoko, ny alarobia 17 martsa avokoa ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra notarihin’ny filoham-pirenena Alassane Ouattara. Ny herinandro lasa teo no maty vokatry ny homamiadana nahazo azy ity praiministra mamin’ny vahoaka ao Côte d’Ivoire ity. Teo anatrehan’ny ivoiriana sy tera-tany vahiny monina ao Côté d’Ivoire no nanaovana ny veloma farany an’I Ratopokolahy Bakayoko. Taorian’ny fanomezam-boninahitra, natolotry ny filoham-pirenena Ouattara an-dramatoa Yolande Bakayoko, vadin’ny maty, ny sainam-pirenena ivoiriana ho mariky ny fiaraha-miory. Notanterahina io andro io ihany koa ny fandevenana.

Laisser un commentaire