Fahasalamana: Efa am-perinasa ny “tetik’asa tafaray” na PPSB amin’izao fotoana izao.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny talata lasa teo ny tetik’asa Tafaray. Ity tetik’asa ity izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Minisitra efatra kosa no miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany tetik’asa izany. Ao anatin’izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ary ny minisiteran’ny Fahasalamambahoaka.
“Ny tanjona lehibe amin’ity tetik’asa ity dia ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fiatrehana ny valanaretina izay mety hiseho eto amintsika ary ny hampiroboroboana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Ho lohalaharana amin’izany ny fahasalaman’ny vehivavy, ny zatovovavy ary ny zaza latsaky ny dimy taona. Afaka hisitraka ziany avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy satria hisy ny sampan-draharahan’izany hiparitaka”, hoy ny Minsiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tetikasa napetraky ny fitondram-panjakana manaraka ny fitsipiky ny fahasalamana iraisana na “One Health” izy ity. Voakasik’izany ny fahasalaman’ny olombelona, ny fahasalaman’ny biby ary ny fahasalamana mifandraika amin’ny tontolo iainana. Araka izany dia hisitraka ny tombontsoa mivantana amin’izany ny Malagasy tsirairay.
“Anisan’ny hitondra fanovana aty amin’ny faritra hiadidiako ity tetik’asa ity satria afaka hanatsara ny tolotra ato amin’ny CSB2 misy ahy aho. Miandry ny fahatongavan’ny tetik’asa aty an-toerana fotsiny sisa satria sarobidy ny fahasalamana ary tokony hanaraka ny fivoaran’ny tontolo sy ny manodidina azy”, hoy ity Mpitsabo mpitantana ny CSB2 ao Foulpointe.
Marihina fa ity tetikasa ity dia manaraka ny fitsipiky ny fahasalamana iraisana na “One Health”. Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona: ho fitsinjovana hatrany ny fahasalamam-bahoaka no isan’ny antom-pisian’ny tetik’asan Tafaray na PPSB.
Miora Raharisolo
