Fanabeazana : Nahitana fihenana ny isan’ireo mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana CEPE
Dépêche 27 avril, 12h, Nahitan fihenana ny isan’ireo mpianatra hiadina ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona ity. Izay marihina fa efa nikatona ny 24 martsa teo ny fara fisoratana anarana hiatrehana izany fanadinam-panjakana volaohany izany. Raha ho an’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra manokana di nihena ho 27 826 izany raha 28 073 ny tamin’ny taon-dasa. 7 taona nyz andriny idnrindra amin’ireo mpiadina raha 70 taona kosa ny zokiny indrindra. Hotanterahina ny 20 jona izao ity fanadinam-panjakana voalohany ity. Araka izany dia tsy fotoan’ny kilalao intsony amin’izao fotoana izao fa efa fotoana fandraisana andraikitra na ho an’ireo ankizy na ireo Ray aman-dreny.
