ActualitésTatitra

France : Zazalahy 12 taona no maty sempotry ny rano

Ny alahady tolakandro tao Bourges, ao Cher no niseho ity tranga ity. Zazalahy 12 taona no nilaza fa andeha hilomano tao amin’ny dobo filomanosan’ny raibe sy ny renibeny. Nandritra ny minitra maromaro nefa dia tsy nisy feo re intsony tao an-tokontany.

Manoloana izany dia nivoaka nijery ny zava-nisy ny iray tamin’ireo olona tao an-trano. Ilay zazalahy efa nitsingevana tao anatin’ny rano nefa no novantaniny. Nantsoina haingana ny mpamonjy voina saingy tsy tana ny ainy ilay zazalahy.

Vitsy ny tranga fahasemporana an-dranon’ny ankizy manodidina io taona io hoy ny tompon’andraikitra. Noho izany dia hisy ny fizahana ny razana hamaritana ny tena antony nitarika ny loza.

Laisser un commentaire