ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Hisy ny fampiofanana maimaim-poana mahakasika ny fiompiana

Hisy ny fampiofanana maimaim-poana momba ny fiompiana akoho fakana nofo, akoho mpanatody lava, ny trondro ary ny kisoa ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.  maimaim-poana ny fiofanana, araka ny voalaza.

“Ny alakamisy 07 Septembre ny fotoana hifanomezana amintsika rehetra liana amin’ny resaka fiompiana. Maimaim-poana io kanefa sehatra efatra be izao no hiofanana ka hanentanana ny rehetra ho tonga maro” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Anisan’ny sehatra mahavelona tsara ny fiompiana raha hifantohana tsara, indrindra ho an’ny tanora.               Azo avadika ho fandraharaharana raha mahay miary ny tanora. Izay no tokony hanararaotana amin’ny fisian’ny fiofanana maimaim-poana tahaka izao satria mandala ihany izany” hoy i Fidy, mpahay fiaraha-monina.

Marihina moa fa ao amin’ny centre d’accueil FJKM Antanambao Ambohimangakely no hanatontosana ity fampiofanana ity. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina izany. Tsy misy ny fisoratana anarana amin’izany ary maimaim-poana ny fiofanana.

Manitra R.

Laisser un commentaire