ActualitésTatitra

La Réunion : Nisokatra ny 27 jona teo ny fisoratana anarana amin’ny Odysséa 2023

Nanao fanambarana ny mpikarakara ny Odysséa Réunion 2023 fa nisokatra ny 27 jona teo ny fandraisana anjara amin’ny hazakazaka atao ny 4 sy 5 novambra izao ao amin’ny ala ny Étang-Salé. Efa azo atao ihany koa hoy izy ireo ny misoratra anarana amin’ny « courses connectées » manomboka ny 27 oktobra hatramin’ny 12 novambra izao.

Raha tsiahivina dia tontosaina isan-taona ao amin’ny nosy io hazakazaka io, izay hetsika tontosaina hiadiana amin’ny homamiadan’ny nono. Raha ny tatitry ny sampan-draharaham-paritry ny fahasalamana ao an-toerana dia 1.630 isa ny vehivavy notsaboina noho ny homamiadan’ny nono « actif » ny taona 2020 teo ary 2.880 isa no narahi-maso manoloana io trangan’aretina io.

Mandritra ny Odysséa 2023 kosa dia azo atao ny mandeha tsotra ny mihazakazaka. Ny lalana 2,5 km dia « diversité », dia tongotra « non chronométrées » kosa ny 5km, « nature chronométré » ny 10 km ary « randonnée » ny 5km. Ao amin’ny tranokalan’ny Odysséa Réunion no fisoratana anarana.

Laisser un commentaire